« Diary Nofy ». Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Librairie St Paul Analakely, ny atrikasa angano, andiany fahasivin’ny tetikasa «Diary Nofy». Niavaka kely ny tamin’ity andiany ity noho ny fisian’ny fampisehoana teatra niarahana tamin’ny Zara aina.
“Blanche Neige 2.0”. Notanterahina omaly, teny amin’ny Aft Andavamamba, ny fampisehoana angano “Blanche neige 2.0”. Raha tsiahivina, ilay tantara “Blanche neige” teo aloha no nohavaozina hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny.
Biopic. Manatontosa fampirantiana ny sanganasany avy, eny amin’ny Aft Andavamamba, nanomboka ny 7 desambra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 22 desambra 2023, ny tanora mpanao hosodoko, mivondrona ao anatin’ny “Plum’art”. Lohahevitra voizina ao anatin’izany ny hoe “Soi-I interieur”.
“Street Photography”. Tanterahina manomboka anio, eny amin’ny CGM Analakely, ny fampirantiana sary pika “Street Photography”, karakarain’ny Club CGM, miaraka amin’ireo mpaka sary pika matihanina. Marihina fa mbola tafiditra ao anatin’ny “Festival du mois de la photo Sar’nao” andiany faha 14, izao hetsika izao.