Manao ny tolona amin’ny ady amin’ny herisetra ihany koa ny tetikasa “Produir”. Mandritra ny asa ataony eny ifotony no manentana ny mponina izy ireo.
Teny amin’ny fokontany Ambatomainty, kaominina Iarinarivo, izay samy nametrahan’izy ireo foto-drafitrasa no nanatanterahan’izy ireo izany, ny herinandro teo. Nanatanteraka hetsika fanentanana ny A2DM, ny Asa Taratra sy ny Sinohydro niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka sy ireo mpiara-miasa.
Nampahafantarina tamin’ny mponina nanatrika ireo mety ho fisehon’ny herisetra amin’ny toerana hiasan’ny tetikasa, ao ny fanararaotana na herisetra ara-nofo. Zava-dehibe ho an’ny tetikasa ny hetsika, izay nahafahana nitondra fanentanana ho an’ny mponina.
Manana andraikitra amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy ny tetikasa amin’ny maha mpisehatra eny ifotony azy. Rehefa voaentana rahateo ny olona dia mora ny firindran’ny fiarahamonina. Mamolavola toe-tsaina ho tomponandraikitra hatrany amin’ny fiarovana sy fikoloana ireo fotodrafitrasa iombonana izay tena ifotoran’ny tetikasa “Produir” izany.
Miasa amina kaominina maro ny tetikasa. Mahita sy miaina mivantana ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina izy ireo. Mahatsiaro ho manana adidy amin’ny hetsika tokony handraisany anjara.
Tatiana A