TSELATRA

Teratany vahiny iray mpizahatany norobaina vehivavy roa tao Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Namana akaiky io vazaha io ihany ny iray tamin’ireo vehivavy nandroba azy. Lasa ny vola 400 euros sy finday roa, niampy vola malagasy 400 000 Ar. Nosamborina ireo roa vavy nanao ny halatra ka notanana hatao famotorana.

Nidoboka am-ponja avokoa ireo 9 mirahavavy niray tsikombakomba hivarotra zaza, ny zoma 8 desambra teo. Nalain’ny vehivavy iray ka nentiny nandositra io zaza io ny 1 desambra teo, tao amin’ny tsenan’i Soamanan­tom­bo. Tratra teny Andoharanofotsy ireo tompon’antoka ny 4 desambra ka vehivavy ny 9 ary ankizivavy  vao 10 taona ny iray namany.

Lehilahy 55 taona nikasa hanolan-jaza 4 taona  voasambotry ny fokonolona tao Antanambao V, Andapa, afakomaly. Fantatra fa efa malaza ratsy amin’ny fanolanana ankizikely any amin’iny faritra iny, ity lehilahy ity. Nentin-katezerana ny olona ka nikasa hanao fitsaram-bahoaka. Nentina natao famotorana eny anivon’ny tomponondraikitra mitandro ny filaminana io voasambotra io.

Tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo, lehilahy 59 taona namoy ny ainy, vokatry ny fihinanana hazandrano tao Ambohitralalana, distrikan’Antalaha, ny sabotsy teo. Karazana trondro  “sardine” io nitera-doza io. Misokatra ny fanadihadiana.

Partager sur: