VAOVAO TAMBATRA

Nisokatra ny 7 desambra teo ny taom-panangonana sy fanondranana lavanila any ivelany, ho an’ny taona 2023 sy 2024, ary hikatona amin’ny jolay 2024. Nahatratra 900 taonina ny lavanila naondrana tany ivelany ny taona 2022, raha nidina ho 500 taonina ny taona 2023.

Miisa 60 ny matihanina amin’ny fizahantany avy any Frantsa tonga taty Madagasikara, nokarakarain’ny kaompania frantsay Corsair. Mpandraharaha amin’ny fizahantany ny 40 ary 20 mpiara-miombon’antoka. Nikaroka toerana azo tsidihina eto Analamanga sy Itasy izy ireo nandritra ny 5 andro.

Misy fikorontanana ny famatsiana herinaratra amin’ny tambajotram-pifandraisan’Antananarivo (RIA). Antony, tsy tomombana ny tambajotra mitondra herinaratra mahery vaika miainga eny Ambohimanambola mankany Antsirabe, ka miantraika any amin’ny vata mpanova herinaratra roa lehibe TR7 sy TR8 eny Ambohimanambola izany.

Azon’ireo vahiny mitsidika eto Madagasikara, manana fivahinianana 60 andro atao, ny manampy izany 30 andro fanampiny, izany hoe, mitotaly 90 andro. Azo atao amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra internety izany, ao amin’ny adiresy evisamada-mg.com.

Partager sur: