Mitohy hatrany ny tolotra ataon’ny BNI Madagascar hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa amin’izao ankatoky ny fety izao. Misy ny tolotra Credit fety 24H izay hahazoana fampidramam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa Ar, hampifalifaliana ny ankohonana amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny 6 desambra ka hatramin’ny 4 febroary izao ny fahazoana izany ary azo averina tsikelikely mandritra ny 84 volana aorian’izay, hoy ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitry ny BNI Madagascar, Olivier Loisel, omaly, tetsy Analakely. Ankoatra izay, misy ny tolotra FETY ahazoana tombola hatramin’ny 1 tapitrisa Ar isan’olona ho an’ireo enina tsara vintana. Ahafahana mandray anjara mivantana amin’izany ny fisoratana anarana amin’ny tolotra Credit fety 24H ary ny fanokafana tahiry Mitsiry, hoy kosa ny tomponandraikitra ara-barotry ny banky, Rasandinirina Manoa. Ankoatra izay, hizara loka mitentina 20 tapitrisa Ar ho an’ireo mpanjifa 20 tsara vintana amin’ny tombola ny BNI Madagascar. Afaka mandray anjara mivantana amin’izany ireo rehetra miantsena sy mandoa ny entany amin’ny alalan’ny karatra BNI. Tolotra manankery ho an’ireo mividy entana manomboka amin’ny 50 000Ar, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny karatra visa Lokanga, Harmonia, ary Premier. Ireto farany izay azo ampiasaina amin’ireo Gab 141, amin’ny tambazotran’ny BNI Madagascar sy amin’ireo Gab mandray karatra visa. Marihina fa atao ny 15 febroary izao ny fisarihana an’ireo tombola Fety raha toa ka ny zoma 16 febroary kosa ny tombola karatra.
Henintsoa H.