Hitombo hatrany amin’ny 5.600 taonina ny famokaram-bary ao Marovoay aorian’ny fahavitan’ny lemaka any an-toerana.
Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fahavitan-tena ny fampiroboroboa ny famokaram-bary eto Madagasikara. Andrasana hamoka-bary 5.600t fanampiny ny lakandrano lehibe ao amin’ny secteur 4,5,6 ao Marovoay. Hanondraka velaran-tany 7.235ha ny lakandrano aorian’ ny fahavitany ka tantsaha mpamboly hatrany amin’ny 2.263 ao anatin’ny federasiona roa « Miaradia » sy « Tantsaha Miray » no hisitraka izany. Tanjona ny hamokatra vary akotry fanampiny hanampiana ny famokarana any an-toerana. Noho izany, mitohy ny fanarenana ireo fotodrafitrasa ara-pambolena any an-toerana. Tetikasan’ny fandaharanasa PADAP sy eo ambany fiahian’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ity tetikasa ity. Mahatratra 25km ny halavan’izany ary hita ao amin’ny kaominina Ambolomoty, sy Tsararano ary Anosimahavelona samy ao anatin’ny Distrikan’i Marovoay. Hamatsy vola ny tetikasa kosa ny Banky iraisam-pirenena.
Hanampy betsaka amin’ny fivezivezen’ny vokatra sy ny olona amin’ireo toerana manodidina ny fahavitan’ny lalana mirefy 8.400km mampitohy ny kaominina Ambolomoty sy Marosakoa mihazo ny lalam-pirenena fahaefatra
Miakatra
Mihazakazaka ihany koa ny fiakaran’ny vidim-bary eto an-toerana. Ankehitriny, manodidina ny 3.400Ar ny kilaon’ny vary manalalondo raha 950Ar kosa ny kapoaka. Ahina mbola hiakatra hatrany amin’ny 4.000Ar ny vidin’izany hatrany amin’ny volana janoary, hoy ny fitarainan’ny mpivarotra. Mampikaikaika ny mponina ihany koa ny vidin’entana izay tsy mitsaha-miakatra amin’ izao ankatoky ny fety izao.
Henintsoa H.