“Feno 44 taona ny datin’ny 12 desambra 1979, nisian’ny fehinkevitry ny Firenena mikambana (ONU) izay manainga ny firenena malagasy sy firenena frantsay hifampiresaka. Feno efa-taona ny fakan-kevitra natao teny amin’ny CCI, Ivato, tamin’ny 11 desambra 2019, momba an’ireo Nosy malagasy”. Izay fampahatsiahivan’ny filohan’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, omaly, momba ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina. 44 taona aty aoriana, inona ny hetsika tokony hataon’ny Malagasy? “Raha milaza isika fa tia an’i Madagasikara sy sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena, mbola misy ampahan-tanintsika dia ireo Nosy malagasy eo an-tanan’i Frantsa”, hoy izy. Mila manapa-kevitra ny Malagasy ny amin’izay hanohizana ny fitakiana ny famerenana an’izany. Ady tsy maintsy irosoana io, fa tsy omen’i Frantsa amin’izao ireo. Amin’ny alalan’ny fampitambaran-kery ato anatiny sy ny fampiasana diplaomasia izay ady izay, fa tsy basy aman-tafondro.
Raha ampitahaina amin’ny dingana nataon’ny Maorisianina tamin’ny ady nataony tamin’ny Anglisy nitakiana ny archipel des îles Chagos, mbola ambakan’ny Maorisianina isika. Firenena kely raha oharina amin’i Madagasikara ny Nosy Maorisy izay nibata fandresena. Tsy nampiasa basy aman-tafondro ny Maorisianina, fa nampiasa ny hery teo an-tanany: ny vahoaka sy ny mpitondra fanjakana niaraka amin’ny diplaomasia.
R. Nd.