Ambohidratrimo : mpivarotra rongony naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana omaly, naiditra am-ponja eny Antanimora ny vehivavy sy lehilahy iray voasambotra tetsy Ambohidratrimo. Malaza ratsy ho mpanaparitaka io karazan-java-mahadomelina io izy roa ireo. Nanao fidinana ifotony ny zandarimaria miasa ao an-toerana ary natao ny fisavana ny 10 desambra teo. Tratra tao amin’ireto mpivarotra ireto ny fonosana rongony mitotaly 700 grama efa voatsinjara. Ireo mpianatra no tena kendren’izy roa ireo amin’ny famarotana izany. Nentina natao famotorana ireto farany. Nogiazana ireo rongony 12 fonosona. Natolotra ny fampanoavana izy roa ka notanana eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nanamafy kosa ny zandarimaria ao an-toerana fa tsy hamela mahazo ireo minia manimba ny hoavin’ny tanora amin’ny alalan’ny fanaparitahana rongony tahak’ity tratra ny faran’ny herinandro teo ity.

Tsiferana R.

Partager sur: