Vita tanteraka ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale solaire) CS ao Marovoay. Azo tsapain-tanana ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo avaozina. Azo avy amin’ny masoandro ny 60% amin’ity famokarana herinaratra CS ity raha toa ka avy amin’ny milina mpihary herinaratra (Groupe électrogène) mampiasa solika mavesatra kosa ny 40% amin’izany. Manana tanjaka 500KW ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro napetraka ao Marovoay. Mahatratra hatrany amin’ny 1 500KW kosa ny tanjaky ny « thermique », raha ny fanazavana hatrany. Manodidina ny 30 % hatramin’ny 1/3 amin’ny totalin’ny tanjaky ny tobim-pamokarana iray manontolo no azo atao tanjaky ny CS hialana amin’ny mety ho fikorontanan’ny tambajotra ao an-toerana. Atao izao mandra-pahazoana vatoaratra mpitahiry herinaratra.
Azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ity tetikasa ity. Nilaza ny tale iraisam-paritry ny Angovo sy ny akoranafo ao Mahajanga, Vavizara Sylvie, fa « betsaka noho ny filan’ny mponina amin’ny herinaratra ny famokarana amin’ity CS vaovao ao Marovoay ity, mba hahafahana mampiditra mpanjifa vaovao ». Tanjona ho an’ny taona ho avy ny hanaovana « hybridation » ny tobim-pamokarana herinaratry ny orinasa Jirama 78 manerana ny Nosy, hanenana ny fandaniana amin’ny fividianana solika.
Henintsoa H.