CNUCC : mamparefo ny Andrimpanjakana ny kolikoly

20 taona aty aorian’ny fivoriamben’ny firenena mikambana miady amin’ny kolikoly (CNUCC), mitohy ny famongorana izany ho an’i Madagasikara.

Singa iray mampitarazoka sy mamparefo ny Andrimpanjakana ny fisian’ny kolikoly anatin’ny firenena iray ary voakasik’izany i Madagasikara. Raha ny voka-panadihadiana navoakan’ny eo anivonn’ny ONG Traffic, nananika ny 21 000 ny isan’ny sokatra tratra nokasaina haondrana, ny taona 2018 hatramin’ny 2021. Miteraka fiantraikany miiba ho an’ny fivoaran’ny toekarem-pirenena anefa ny fisian’io trangana famotsiam-bola io. Tsy ny fa­nondran-tsokatra ihany, maro ireo karazana kolikoly manjaka eto Madagasikara. Voaka­sik’izany, ny eny anivon’ny Andrimpanjakana samihafa sy ny sehatra tsy miankina. Manoloana io, tsy mitsahatra mikaro-bahaolana ny rafitra misahana ny ady amin’ny kolikoly eto an-toerana. Tanjona amin’izany ny hanatrarana ireo tsy matimanota ary hanasaziana azy ireo mifanaraka amin’ny fandikan-dalàna nataony. Nanamafy rahateo ny eo anivon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny taona 2017, fa ambany ny taham-pivoaran’ny olombelona ho an’ny firenena anjakan’ny kolikoly.

Tsiferana R.

Partager sur: