Notanterahina tao Ambatoroka ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny lasi-piofanana momba ny asa “Pâtissier –Traiteur”. Dingana iray lehibe ho an’ny sehatry ny fizahantany, fandraisam-bahiny, fampisakafoana sy ny asa tanana eto Madagasikara ny fahavitan’izao lasitra izao.
Natomboka ny volana septambra teo ireo asa famolavolana sy fandrafetana ny lasi-piofanana. Nifarimbonan’ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny sakafo sy mofomamy, ny mpampiofana matihanina ary ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) ny asa. Nankatoavin ’ireo mpiantsehatra sy ny manam-pahaizana izany ny volana novambra teo.
Ny IECD dia nanohana ny METFP amin’ny famolavolana ny lasi-piofanana ary nampihatra ny paikady mifanaraka amin’ny fomba fiasa mifototra amin’ny fahaiza-manao (APC). Ny fampiharana ity lasitra fanofanana ity dia ahafahana manolotra fiofanana voamarina avy amin’ny minisitera tomponandraikitra.
Voatondro ho fanofanana andrana ny eo anivon’ny CFP Marie Auxiliatrice Ivato, ary hampiharana ny lasi-piofanana “Pâtissier-Traiteur”, noho ny didy hitsivolana momba ny fiofanana mifandimby. Orinasa mpiara-miombon’antoka 12 no handray mpianatra 24 manomboka amin’ny janoary 2024, ka haharitra 8 volana ny fiofanana.
Tatiana A