Fianianan’ny filohan’ny Repoblika: hizarana tapakila avokoa izay ho eny Mahamasina

Nitondra fanazavana tetsy Mahamasina, omaly, ireo tomponandraikitra isan-tokony amin’ny fanatanterahana ny lanonana fametrahana ny filohan’ny Repoblika ny sabotsy izao. Efa vonona avokoa ny arofenitra rehetra sy ny fandrindrana ny filaminana.

Hisokatra amin’ny 6 ora maraina ny vavahadin’ ny kianjabe. “Hizarana tapakila avokoa ireo rehetra hanatrika ny lanonana ary tsy hisy ny vidim-pidirana”, hoy ny mpandrindra ankapobeny ny hetsika, Rahelisoa Virginie.
Tomombana avokoa ny arofenitra rehetra hiarovana ireo olom-panjakana ambony avy any ivelany sy avy eto an-toerana. “Tsy hilefitra izahay fa hisambotra avy hatrany ireo minia manakorontana”, hoy kosa ny eo anivon’ny Emmo/ Nat. Maherin’ny 6 000 rahateo ireo mpitandro filaminana hahetsika amin’io fotoana hanaovan’ny filoham-pirenena ny fianianana io. Hotan­terahina ny tapany maraina ny fianianana. Hitarika izany fotoam-pitsarana manetriketrika izany ny filohan’ny Fi­tsarana avo momba ny La­làmpanorenana (HCC).

Fiaingana vaovao

Manao ny fianianana eo anatrehan’ny firenena sy ny governemanta, ny Antenimi­eram­pirenena sy ny Antenimi­erandoholona, ary ny fitsarana tampony ny filohan’ny Re­poblika. “ Eto anatrehan’ An­dri­a­manitra Andriana­nahary sy ny firenena ary ny vahoaka, mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamarinana ny an­draikitra lehibe maha filohan’ ny firenena malagasy ahy.
Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon’olombelona.
Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an’ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka ”.
Manomboka ny andro anaovana izany fianianana izany ny fe-potoana hiasan’ny filohan’ny Repoblika ho an’ny dimy taona manaraka.

Synèse R.

Partager sur: