Fizarana fanomezana an-dalambe: nametraka rindranda­mina ny CUA

Namoaka fandaminana ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra ho an’ireo fikambanana sy orinasa manao hetsika an-dalambe, fizarana fanomezana ho an’ireo sahirana sy tsy manan-kialofana mandritra ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona.
Manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora alina no hanatanterahana ny hetsika fizarana. Tokony hiantso mialoha ny CUA roa andro mialoha ny fikambanana na orinasa maniry ny hanatanterakana izany.
Nofaritana manokana ny toerana hanatanterahana ireo fizarana. Ho an’ny boriborintany I, eny Ambohijatovo akaikin’ny taksiborosy Alasora no hanatanterahana izany. Ho an’ny boriborintany II dia eny Tsarafaritra, fitobian’ny fiara eo amin’ny biraon’ny Dacvc/CUA. Manoloana ny tsenan’i Behoririka no hanatanterahana izany ho an’ny boriborintany III. Eo amin’ny parking LMA no hanaovana ny hetsika fizarana ho an’ny boriborintany IV. Eo amin’ny rond point RTA, Ankorondrano Andra­nomahery kosa ny fizarana ho an’ny boriborintany V. Eo amin’ny kianja fanaovana basikety ao ambadiky ny biraon’ny boriborintany ho an’ny boriborintany VI. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra misitraka ny fety sy mifaly ary milanona am-pilaminana.

Tatiana A

Partager sur: