HVM: “Tsy mahamaika ny hiditra ao amin’ny fitondrana”

“Tsy ny fidirana ao anatin’ny fitondrana no mahamaika anay. Mety ho fiantraikan’ny fifampidinihana izany. Raha hatao izay fifampidinihana izay, sarotra ho anay ny hiditra ao anatin’ny governemanta hijoro eo. Sarotra ho anay ny hanaiky ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC)”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasam­bany Alain Désiré, ny amin’ny fijoroan’izay ho governemanta vaovao eo. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy ny fifampiresahana. Tsy fantatra izay havoakan’ny rahampitso. Izay no manosika an-dry zareo hanohy ny tolona.
Misy ny tolona azo atomboka amin’izao volana desambra izao, ary tsy maintsy misy ny tohiny amin’ny janoary 2024. Tsy vita indray andro na vitan’ny hambom-po fotsiny ny fanovana. Miala an-daharana ry zareo raha ny olon’ny fitondrana no mitarika ny fifampidinihana. Raha misy mpanelanelana amin’izay ka mandray anjara ny fitondrana ary mandray anjara ry zareo mpanohitra, izay ny fifampiresahana hahatonga ny dinika demokratika. Handray anjara amin’izany ry zareo.
“Ny mpanatanteraka no tena manahirana, satria ny fanapahan-kevitry ny governemanta no anisan’ny fototra mampikorontana ny firenena”, hoy izy. Lasa misy firaisana tsikombakomba miaraka amin’ny HCC. Raha tsy izay aloha no hiaraha-mijery hoe: inona no hatao, lalàna toy inona no entina any amin’ny parlemanta? Raha hanova tsy maintsy misy lalàna sy fifanarahana politika momba izany.

R. Nd.

Partager sur: