SOMBIM-BAOVAO

Tanterahina any Mahajanga, nanomboka omaly 11 desambra hatramin’ny 17 desambra, ny fifaninanana “Challenge de Baobab”, andiany faha-15. Ny ligin’i Boeny no mikarakara ity fifaninanana ity, miaraka amin’ny Federasiona malagasin’ny basikety.

Hiditra amin’ny herinandro faharoa, amin’ny fanazaran-tena iraisam-pirenena, taranja Judo, any Japon, Rasoanaivo Laura, Malagasy mpikatroka. Traikefa maro no azony any an-toerana. Ny sabotsy 16 desambra izao no hifarana ity “camp d’entraînement” hataony any Japon ity.

Norombahin’i Victor Osimhen, Nizerianina mpilalao baolina kitra, ny amboaran’ny mpilalao mendrika aty amin’ny kaotinanta afrika «Ballon d’or africain 2023». Marihina fa mila ravinahitra ao amin’ny Napoli SC Italie i Victor Osimhen. I Lamine Camara, senegaley no mpilalao zandriny, mendrika indrindra, tamin’ity taona ity.

Hotanterahina anio, any Allemagne, ny lalao miverina amin’ny fihaonan’ny Paris Saint Germain France sy ny Dortmund FC Allemagne. Fihaonana tafiditra amin’ny fifanintsanan’ny “Ligue des Champions 2024”.

Partager sur: