“Velakevitra momba ny haisoratra”. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro izy ity, ao amin’ny Efitano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Iarahana amin’ireo andrarezina roalahy: Ratrema William sy Ranöe. Iry voalohany hamakafaka ny “Hasin’ny teny malagasy”, raha toa ka hamelabalatra ny “fomba hiainana ny teny malagasy” kosa ny faharoa.
Seho Noely etsy amin’ny IFM. Hisantatra ny “Folle semaine de Noël» andiany fahatelo, anio, ny sehon’ny Chœur Miangaly. Manomboka amin’ny 7 ora hariva izy ity, ao amin’ny efitrano fanaovan-tsehon’ny IFM Analakely. Hanome voninahitra ireo mpamoron-kira anglisy toa an-dry Edward Elgar, John Rutter, sns, ny tarik’i Antsanirina Rakotoarimino mandritra izany. Hafa indray ny rahampitso.
Tsy hanatanteraka seho ho an’ny Noely ny Tanora Masina Itaosy amin’ity taona ity. Ho setrin’izay, ny alahady 31 desambra 2023 izao, manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 12ora sy sasany (alina), hiaraka hitsena am-pifaliana ao an-tranon’ Andriamanitra ny taona vaovao 2024 izy ireo sy ny olon-drehetra ho tonga eny amin’ny FLM Ambohimasina Itaosy.
Nankalazaina omaly 12 desambra 2023, ny andro maneran-tany ho an’ny mozika metaly. Raha tsiahivina, ny 12 desambra 2012 no niatombohan’ity fankalazana ity ary maro ny firenena mankalaza izany. Nahatsiaro izany ihany koa ireo mpiangaly mozika metaly eto Madagasikara, na dia tsy nisy aza ny hetsika fankalazana.