Zazalahy voairaka hitoto vary, hita faty natelin’ny rano tao Manampotsy, faritra Atsinanana, afakomaly. Niandry filaharana teo amin’ny fitotoam-bary izy ka nanararaotra nilalao rano. Tsy hita popoka nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro. Navoakan’ny rano afakomaly hariva ihany io tovolahy io saingy efa tsy nisy aina intsony.
Tovolahy hamonjy fianarana, maty voahosin’ny fiara tao Toamasina, omaly maraina. Tsy nahatazana ny fiara nirimorimo izy ka avy hatrany dia voafaoka. Kilasa 1ère ao amin’ny lycée Rabemanjara ao an-toerana izy. Maty tsy tra-drano ilay zazalahy io.
Dahalo iray lavon’ny bala ary tafaverina ny omby 275 tao amin’ny kaominina Isoanala, faritra Anôsy, omaly. Nanao hetsika manokana ny zandarimaria notarihin’ny kaomandin’ny Vondro-tobi-paritra ao an-toerana sy ny fokonolona, hanatrarana ireo olon-dratsy. Tratra tao amin’ny toerana fihereny io jiolahy io kanefa nikiry hamaly ny mpitandro filaminana. Vokany, voatifitra izy ka maty.
Vehivavy mpiasa amina trano fisotroana iray hita faty tao Mangarano 11/47, Toamasina, omaly. Nampiahiahy ny manodidina ny fisiana fofona maimbo tao an-tanàna. Nosokafana ilay trano fisotroana ka hita nitsirara tamin’ny tany ilay mpitam-bola. Efa simba ny razana. Voalaza fa efa tsy nisokatra intsony io trano fisotroana io nanomboka ny zoma 8 desambra teo.