Ampandrana : lehilahy namono tena rehefa avy nanindrona antsy ny sakaizany

Renim-pianakaviana iray hita faty nihosin-dra notsatohan’ny sakaizany antsy teo ambony fandriana teny Ampandrana, omaly maraina. Namono tena koa ilay lehilahy taorian’izay.

Tokantrano iray nihosin-dra, omaly tamin’ny 7 ora maraina, teny amin’ny fokontany Ampandrana. Renim-pianakaviana iray no maty notsatotsatohan’ny sa­kaizany antsy teo ambony fandriana. Namono tena koa ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity rehefa nahavita herisetra feno habibiana tamin’io renim-pianakaviana sa­kaizany io. Araka ny fanazavan’ireo olona teo amin’ny manodidina, tsy mpivady izy roa ireo fa mpifankatia miara-mipetraka fotsiny satria samy efa nisara-bady (nitsoaka ny vady aman-janany avy). Samy efa manan-janaka ihany koa. Tsy tapa-kevitra tampoka ny hanohy ny fiarahana tamin’io raim-pianakaviana io indray anefa io vehivavy sakaizany io. Nanamafy izany rahateo koa ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Tezitra noho io fanapahan-keviny io ity saikaizany ity satria efa nanary ny vady aman-janany izy, nefa izao nialany tampoka izao koa.

Efa matetika miady izy roa…
Tsatok’antsy intelo no hita tamin’io vehivavy sakaizany io, araka ny hita teny an-toerana. Teo am-pisasana no efa notsatohan’io sakaizany io ny antsy izy. Tsy vitan’izay fa mbola notolominy teo am-pandriana ihany rehefa avy nandro ka nanamparany ny hatezerany. Vokany, maty nihosin-dra teo ambony fandriana ilay renim-pianakaviana. Namono tena, notsatohany antsy koa teo amin’ny faritry ny fony rehefa avy namono io sakaizany io izy. Manofa trano izy roa ary matetika no miady saingy mihidy an-trano izy ireo rehefa misy fifandirana toy izao, raha ny fanazavana voaray teny an-toerana hatrany. Vao maraina, henon’ny olona niady tao an-trano izy roa. Ny mpanampin’izy ireo no nampilaza tamin’ny fianakaviany sy ireo olona teo amin’ny manodidina. Ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) no manao ny fanadihadiana ity raharaha vonoan’olona feno habibiana ity.

Jean Claude

Partager sur: