Cop 28 – Andriambololona Mitia: « Handray andraikitra hanova ny toe-tsaina ny ankizy »

Tonga eto an-tanindrazana rehefa avy niatrika ny fihaonambe momba ny fiovaovan’ny toetry ny andro (Cop28) tany Dubai, ny 2 desambra ka hatramin’ny 11 desambra teo, Andriambo­lolona Ny Felam-panantenana Mitia. « Fifanakalozana, fahafantarana ny zava-misy maneran-tany momba ny fiovan’ny toetry ny andro. Fahafahana naneho hevitra, sns. Tombony lehibe azo nandritra iny fihaonana iny ireo », hoy i Mitia, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Vaomieram-pirenena malagasy Unesco Behoririka. Nan­teriny fa : «  sarotra ny hivoaran’ny toe-tsain’ny Malagasy amin’izao, indrindra fa momba ity fiovaovan’ny toetry ny andro ity. Mila mandray andraikitra ny ankizy. Mila maneho hevitra mba ho tosika mankany amin’izay fanovana toe-tsaina izay. Rehefa mahafantatra ny ankizy fa ho azy any aoriana ny fiovana, hanaraka ny lehibe ».
Hoenti-miatrika ny vokatry ny fiovan’ny toetry ny andro sy ho fanatanterahina io fanovana toe-tsaina io. Nanolotra sosokevitra sy vahaolana ho an’i Madagasikara i Mitia. Hampidirina ho taranjam-pianarana ny fiovan’ny toetry ny andro sy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ary ny firenena manoloana izany. Omena vahana ny angovo azo avaozina ary ny fanodinana ny fako ho angovo hoenti-miasa. Fandraisana andraikitry ny « Réseau du système des écoles associées de l’Unesco (réSEAU) no nahafahana nitily sy nandefa ny ankizy mendrika tamin’ity Cop28 ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: