Namoaka fanambarana, ny 12 desambra teo, ny vondron’ny mpandraharaha tsy miankina manodidina ny 30 eto Madagasikara. Anisan’ny navoitran’izy ireo ny fandanian’ny orinasa mihoa-pampana amin’ny herinaratra vokatry ny delestazy lavareny.
Miantraika ratsy any amin’ny fiharian’ny mpandraharaha ny delestazy. Efa nisy hatry ny ela ny tetikasa famokarana herinaratra azo avaozina sy ny avy amin’ny tohodrano, saingy tsy mety tanteraka hatramin’ izao.
Manoloana ireo, lafo sady manimba ny tontolo iainana ny fahanteran’ny fitaovana mamokatra herinaratra. Tsy maharaka ny tanjaky ny herinaratra avy amin’ny tohodrano sy ny masoandro nefa koa lafo ny vokarina avy amin’ny solika sady maloto.
Vola trosa aloan’ny vahoaka no anohanan’ny fanjakana ny Jirama, nefa herinaratra mamono antoka azy no amidiny. Mizaka ny vokany ny orinasa tsy miankina, mandoa ny saran-jiro lafo noho ny delestazy. Miahiahy ny hoavy ny orinasa eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena, satria tsy misy antoka sady tsy mahasarika ny fampiasam-bola eto Madagasikara.
Vahaolana ny fitrandrahana herinaratra avy amin’ny tohodrano. Toy ny fandaharanasa Sahofika, mamokatra
1 650 GWh isan-taona hamatsiana ny tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA), izay afaka mampifandanja ny kaontim-bolan’ny Jirama. Mamokatra herinatra 130 MW ny tohodrano avy aminy, mamaha ny olan’ny haintany sy ny faharitran’ny rano. Mahatratra 1tapitrisa taonina ny entona karbona CO2 voatahiry amin’izany.
Tetikasa efatra
Etsy ankilany, manahy ny vondron’ny mpandraharaha fa tsy ho tanteraka mihitsy ny fandaharanasa efatra, ny Sahofika, ny Volobe, ny Prirtem 1 sy 2 (tohanan’ny Vondrona eoropeanina) saingy misy ny tsy firindrana. Satria tokony hampidirina ao anatin’ny tambajotra RIA ny Prirtem 1, kanefa miasa ny tetikasa Sahofika sy Volobe. Hampidirina ao amin’ny tambajotra Fianarantsoa ny Prirtem 2 kanefa miasa ny Sahofika. “Ireo tetikasa efatra ireo ihany anefa no tena vahaolana ho an’ny herinaratra eto amintsika, izay mila finiavana politika », hoy ny fehitenin’ny vondron’ny mpandraharaha.
Njaka Andriantefiarinesy