Hotanterahina ny sabotsy 16 desambra 2023 izao, etsy amin’ny Radisson Ambodivona, ny andiany voalohany mahakasika ny « Salon de l’orientation en hôtellerie, restauration, art culinaire ». Hetsika karakarain’ny eo anivon’ny Edustep. Natao hanampiana ny tanora sy ny mpianatra liana amin’ny fanarahana ny lalam-piofanana mahakasika izany. « Tanjona ny hampahafantarana sy hitaritana ary hisarihana ny ankizy fa anisan’ny lalam-piofanana mampivelatra sy mampivoatra ny tanora izy io », raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Mahay mahandro sakafo be foana ny ankizy nandalo amin’ny fiofanana, raha ny fiheveran’ny olona izany. Nilaza ny tomponandraikitra fa misampana maro samihafa ny fiofanana hita amin’izany. Toy ny serasera, ny fitantanana, ny fandrahoana sakafo… Lalam-piofanana misokatra sy mampivelatra ny ankizy ny lalam-piofanana.
Ahitana tolotra maro samihafa eny an-toerana. Sekoly 10 hampiranty sy hampahafantatra ny karazana fiofanana eny an-toerana, mandritra ny hetsika. Ankoatra izay, misy ny fizarana ny traikefan’ny mpampianatra amin’ireo mpianatra tonga hitsidika izany.
Mino