Ny taona 2004 no tonga teto Madagasikara ny taranja jiu-jitsu breziliana. Ny Maitre Rabarilala Faly no nitondra azy teto ary nanaraka azy avy eo ny Maitre Ramanandraibe Nirina. Tanjon’izy ireo ny hanangana klioba iray tamin’izany fotoana izany, saingy tsy tontosa ka samy nanangana ny azy manokana izy ireo taty aoriana. Ny klioban’ny Gordinho Jiu-Jitsu Team ny an’ny Maitre Faly ary Jiu-Jitsu Esca kosa ny an’ny Maitre Nirina. Manodidina ny 500 ny mpikatroka ity taranja ity eto Madagasikara, manomboka amin’ny ankizy 5 taona hatramin’ny olon-dehibe 70 taona. Efa ahitana klioba 15 manerana ny Nosy, misy hatrany Toamasina, Antsirabe, Mahajanga, Toliara ary eto Antananarivo.
Miavaka ny taranja JJB raha oharina amin’ny taranja haiady marobe izay misy maneran-tany. “Travail au sol” ny 90% amin’ny jiu-jitsu, izay no tena mampiavaka azy. Tanjona ny handavoana ny mpifanandrina, amin’ny alalan’ny teknikana fikendrena ny rantsam-batana, fanakendana, famatrarana, sns. Mila herim-batana sy fanazaran-tena mafy, araka izany, ny fanaovana ity taranja ity, raha te hahita fandresena. Efa manomboka miha matihanina amin’ny jiu-jitsu breziliana ny Malagasy mpikatroka, tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, noho ny fisian’ny fifaninanana maro na ny eto an-toerana na ny any ivelany. Vao tsy ela akory no nandrombaka medaly 28 be izao i Madagasikara, nandritra ny « Open d’Afrique », natao tany Maorisy farany teo.
Mi.Raz