Ramavoarihanjasoa Hasinanirina : “Tsy ny anio ihany ny sosialim-bahoaka, fa ny ampitso sy ny manaraka”

Ahoana ny amin’ny sosialim-bahoaka? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny filoha mpanorina ny fikambanana Ny Hasin’ny Fifankatiavana, Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah:”Tsy ny anio ihany ny sosialim-bahoaka, fa ny ampitso sy ny manaraka”. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Fahitanao ny hoe sosialim-bahoaka amin’izao?
Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah (-): Amin’ny maha filohana fikambanana ny tena, mijery ifotony ny sosialim-bahoaka. Miara-miasa amin’ny tantsaha, ohatra, izahay, ary misitraka zezika sy masomboly amin’izany izy ireo. 150 ireo tantsaha ao amin’ny kaominina, Bongatsara, Antananarivo Atsimondrano, nahazo izany noho ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena izay mampiofana azy ireo ho matihanina hahazoana vokatra tsara. Mila ampianarina koa ny vahoaka: tsy ny anio ihany, fa ny ampitso sy ny manaraka. Zatra omena ny vahoaka… Nefa tsy voatery ho izay, fa miezaka ny fitondram-panjakana manao ny fijerena ifotony. Efa niteny rahateo ny filohan’ny Repoblika fa hijery izay. Amin’ny fizarana jiro, ohatra, tena misy ny fakana sary ifotony amin’izay tokony hisitraka izany. Miova amin’izay ny fomba fiasa, ka inoana fa hisitraka fihatsaram-piainana ny vahoaka.
* Ahoana ny amin’ny fiatrehana ny vidim-piainana mampitaraina ny maro amin’izao?
– Tsy misy ny vidim-piainana midina… Ny ezaky ny fanjakana ny fanaovana arofanina tsy hiakaran’izany be loatra. Maneran-tany ny fidangan’ny vidim-piainana, miampy ny ady any Ukraine sy ny any Israely. Na izany aza, inoana fa hiasa ny fanjakana hanamaivana kokoa ny vidim-piainana. Efa misy koa ny fomba hanampiana ny vahoaka amin’ny fampiakarana ny fahefa-mividy amin’ny fanampiana mivantana, ohatra. Tsy maintsy misy hatrany ny hoe tsy nahazo. Matoa misy tsy nahazo, misy izany ny nahazo: miasa izany ny fitondrana.

* Ahoana no hialana amin’ny fanomezana fanampiana?
– Tsy afaka amin’ny vahoaka iny hoe tolorana… Mila hampianarina izy ny amin’izany, fa misy ny tena mandray ny hoe ity misy 100 Ar hampiasaina ho tonga 200 Ar. Tsy terena anefa izy amin’izany. Misy ny miandry tolorana fotsiny, fa misy koa ny ofanina miatrika ny hoaviny amin’ny tetikasa isan-karazany. Efa miainga koa ny tetikasa ho an’ny olona hanao fandraharahana, ohatra. Famoronana asa no tena imasoana amin’izany.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: