Sinoa very vola 170 tapitrisa Ar : Roa lahy voaheloka mandra-pahafaty ao Toamasina

Voaheloka mandra-pahafatiny sy namoahana didy fampisamborana Randriambelonony sy Tangamanana Berthin. Io ny didy navoakan’ny fitsarana ao Toamasina, omaly.

Hentitra ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, nandritra ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, hamaranana ny taom-pitsarana taona 2023. Niaka-tsehatra teo anatrehan’ny fitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-50-Toa/22-944-RP/21, izay hanenjehan’ny fitsarana olona miisa 9 ary anisan’ izany Randriambelonony Nestor Mahery, fantatra amin’ny solon’anarana Dada, 42 taona sy Tongamanana Berthin, antsoina hoe Rasomototra na Lebery, 45 taona. Fanafihana mitam-piadiana narahina fandrobana lelavola mitentina 170 tapitrisa Ar tao amina tokantrano Sinoa iray ao Mangarano, ny 3 marsa 2021, sy firaisana tsikombakomba tamina fanamorana izany asa ratsy izany no vontoatin’ny fiampangana ireo olona sivy voarohirohy tamin’izany. Tsy nisy tonga niatrika ity fotoam-pitsarana ity ny voampanga rehetra sy ny mpitory saingy tsy nampihemotra ny fombafombam-pitsarana izany. Nisy hatrany koa ny baiko avy amin’ny fampanoavana ambony ary niara-nidinika ny andinin-dalàna momba ny paikady heloka ny mpitsara mpamoaka didy sy ny mpitsara mpanampy. Vokany, nilatsaka ny didy ka voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafaty ireo roa lahy voalaza etsy ambony. Navoaka ihany koa ny didy fampisamborana azy ireo. Afaka noho ny fisalasalana kosa ny voampanga enina mianadahy hafa.

Sajo/J.C

Partager sur: