TARATRY ny KANTO

Sarimihetsika. Anisan’ireo nosafidiana ho mpitsara amin’ny andiany faha-10 amin’ny “Festival du film international de Duhok” na ny Fipresci i Aina Randrianantoandro. Anisan’ireo mpahay tsikera amin’ny sarimihetsika eto Madagasikara, ary efa manana ny lazany any ivelany izy, matoa antsoina ho any Duhok, hatramin’ny 16 desambra ho avy izao.

“Street photography”. Fampirantian’ireo mpaka sary dimy mpikambana ao amin’ny Photo Club CGM izy ity, izay hatao ao amin’ny CGM Analakely ihany, hatramin’ny 16 desambra izao. Sanganasan’i Soanoro, Viro Photography, Sangask’art, Tonioh Raza, Tsiky Boum Kely ireo. Fampirantiana tafiditra anatin’ny andiany faha-14 amin’ny hetsika ‘Sar’nao” izany.

« Lecture en rire ». Ny teny amin’ny boriborintany fahadimy no namaranana ny hetsika « Lecture en rire », niarahan’ny avy eo amin’ny CUA, tamin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana mpanao hatsikana Gasy Stand Uppers sy Be Tige. Tanjon’ny hetsika ny hanomezana sehatra ireo talenta vaon’ny hatsikana.

“Madagascourt Film Festival”. Mbola tena ao anaty fifaninanana tanteraka ny sokajy fifaninanana nasionaly, natokana ho an’ny Malagasy mpanatontosa. Raha tsiahivina, ny zoma izao no hahafantarana izay handrombaka ny amboara, “Zebu d’Or”, amin’izany sokajim-pifaninanana izany.

Partager sur: