Tarika Reko- 5 taona : sokafana amin’ny fampisehoana ny fankalazana

Tarika anisan’ny zandriny nefa manana ny maha izy azy ny tarika Reko. « Niha lehibe tokoa izahay, ary nitombo niaraka tamin’ny taona. Tsy niova anefa ny kalitaon’ny mozika nahafantarana ny tarika.» hoy Zazah, solontenan’ny tarika.

Hotanterahina ny alahady 17 desambra 2023, eny amin’ny CCESCA Antanimena, ny fampisehoana iarahana amin’ny Reko Band. Hetsika fanokafana ny fahadimy taonan’ny tarika. Hisy ny seho manokana homanin’ny tarika, ankoatra ny fikaloana ireo hiran’izy ireo ho fanamarihana izany fankalazana ny fahadimy taonany izany. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa lany avokoa ny tapakila fa afaka manaraka an-jotra amin’ny pejin’ny tarika sy ireo mpanohana ary ny mpiara-miasa ireo mbola tsy nahazo.
Fotoana lehibe ihaonan’ny fianakaviamben’ny tarika Reko ny amin’ny Alahady 17 desambra 2023. Hanomboka amin’ny 3 ora tsy diso ny fampisehoana, araka ny nambaran’i Zazah, solontenan’ny tarika. Hiarahan’ny rehetra mankafy mandritra io fotoana io ny hira rehetra nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Raha tsiahivina, miisa 34 eo ny hiran’ny Reko Band. Ankoatra ny seho manokana, izay ahitana fihetsika sy mozika, izay noforonina manokana ho an’io seho io. Hampiavaka ity fampisehoana ity ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Oshéa Marline, izay hiaraka hanatontosa ny tapany voalohany amin’ny fampisehoana.
Anisan’ny mampiavaka ny tarika ny hirany izay mitondra sy ahitana fanabeazana hatrany. Eo ihany koa ny fanomezan’izy ireo lanja ny fahasamihafana sy ny maha olona ao anatin’ny hirany. Raha tsiahivina, miisa roa ny rakikiran’ny tarika amin’izao fotoana izao.“Samy manana ny karazana sy gadon-kira ankafizinay izahay mpikambana saingy iraisana ny fankafizana hira mitondra hafatra”, hoy i Diary, mpikambana ao amin’ny Reko Band. Manana vina ny hanao fitetezam-paritra, hatrany am-pitandranomasina ny tarika amin’io taona 2024 io.

Lin

Partager sur: