Niditra teo amin’ny lalao voalohany niarahany amin’ny klioba vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina (Rakool), ny faran’ny herinandro teo. Fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, amin’ny “Regional 1”.
Taorian’ny fahatongavany tany Frantsa, ny faramparan’ny volana novambra lasa teo, nisantatra ny fiakarany kianja niaraka amin’ny ekipan’ny Arles Football Club, ekipa vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina (Rakool). Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Gilles David, ny alahady 10 desambra lasa teo, nikatrohan-dry zareo tamin’ny AS Maximoise. Lalao tafiditra ao anatin’ny andro faha-11, hiadiana ny amboaran’i Frantsa, ho an’ny “Regional 1”.
Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa tery, 3 no ho 2, ny ekipan-dRakool tamin’ity. Tsy avy hatrany dia tompon-toerana Rakool fa mbola mpilalao fiandry. Nampidirin’ny mpanazatra ny tovolahy, tany amin’ny minitra faha-53, fizaram-potoana faharoa, ary hita fa nahavita nampiseho endri-dalao tsara. Niavaka tamin’ny teknika sy hafetsifetsena teo ambony kianja. Efa manomboka resy lahatra aminy ny mpanazatra ny Arles Football Club, amin’izao fotoana izao.
Tsiahivina fa anisan’ny mpilalao vaovao nantsoin’ity Arles FC, Rakool. Taorian’ity fandresena azony ity, mitana ny laharana faharoa vonjimaika ny Arles, manana isa 19. Isa 2 monja ny hany manelanelana ny Arles amin’ny MGCB, nahazo isa 21.
Miato aloha ny fifaninanana noho ny fetin’ny faran’ny taona. Hitohy izany amin’ny taona 2024 ka handray ny ekipan’ny SMUC ry zalahy ny 14 janoary.
Marihina fa herintaona azo havaozina ny fifanarahan-dRakool, amin’ity ekipan’ny Arles FC ity. Haharitra hatramin’ny 30 jona 2024 izany. Mila miezaka sy mampiseho ny fahaiza-manaony izany Rakool, mba hitohizan’izany fifanarahana izany.
Tompondaka