Mbola mitana ny sain’ny maro ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manome vahana izany ny vanim-potoanan’ny maitsoahitra izay mampidangana ny vidim-piainana. Mampiaiky volagna ny vidim-bary eny an-tsena izay tafakatra hatrany amin’ny 3 500 Ariary ny kilao. Efa hitovy amin’ny sandan’ny karama indray andro raisin’ny mpiasa madinika. Mahalasa saina!
Miraviravy tanana ny vahoaka tsimandadiharona amin’ny hafitsoky ny olon-dratsy izay manoatra lavitra noho ny mpitandro filaminana ny fitaovana entiny mandroba sy mamely ny lasibatra. Tena atody miady amam-bato, tsy manan-tanana handrangotra na tongotra hanipaka akory. Raha mitaraina toa mitory teny an-tany efitra. Tsy misy mpihaino. Efa manjaka rahateo ny samy maka ho azy. Ny mpiray tanàna aza mifampitazam-potsiny raha misy voina.
Raha zohina akaiky ny zava-misy, miandrandra misimisy kokoa amin’ny fitondram-panjakana ny vahoaka malagasy, indrindra avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy maintsy manatevin-daharana any ambanivohitra ny zandary raha tiana ny hampilamina ny tanàna. Mila manova olona any ifotony ihany koa ny miaramila. Efa zatra, zary zanatany izy ireny ka mivadika ho mpiray tsikombakomba amin’ny jiolahy. Misy mihitsy aza ny mivadika ho olon-dratsy, fahavalom-bahoaka.
Handray fahefana ny Filoha faratampon’ny foloalindahy, ny sabotsy ho avy izao. Mametraka tsirim-panantenana be dia be aminy ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Nilokaloka hijery ny lafiny sosialy izy. Manamafy ny resaka fampandrosoana rahateo. Midika ho fanomezana lanja misimisy kokoa ny filaminam-bahoaka, izay antoka iray lehibe ahafahan’ny vahoaka misehatra misimisy kokoa amin’ny fitadiavana sy famokarana izany.
Taon-trano tsy efan’ny irery anefa izany. Tsy misy tondro tokana mahazo hao izany. Mila ny firaisankinan’ny Malagasy tsivakivolo. Mila fifanomezan-tanana… vao ho tafa i Madagasikara.
r.r