Misanda 4 898 Ar ny 1 euro, raha 4 640 Ar ny
1 dolara, omaly, teo amin’ny tsenam-bola. Nidina kely ny sandan’ny euro, satria efa tafakatra 4 917 Ar tamin’ny 11 novambra. Tsy mitsaha-miakatra kosa ny dolara, satria
4 500 Ar tamin’ny 1 desambra ary io efa manakaiky ny
4 670 Ar izao.
Natao tany Antsirabe, ny 4 – 8 desambra teo, ny atrikasa hanatsarana ny sehatry ny asa vaventy. Anisan’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny minisitera (MTP) sy ny orinasa tsy miankina. Havaozina ny antontan-kevitra momba ny MTP, natao tamin’ny 1991. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo orinasa any Vakinankaratra sy Amoron’i Mania.
Nihaona tamin’ny mpitantana ny faritra Ihorombe sy ny fitantanam-paritry ny jono ireo mpivarotra trondro any amin’ny fokontany Besakoa Ihosy, ny 12 desambra teo. Noresena lahatra izy ireo hifindra any amin’ny tsena trondro vaovao manara-penitra. Homena fitaovana toy ny vatakely mangatsiaka (glacières) izy ireo, hitahirizana ny trondro.
Hisolontena an’i Madagasikara ny EDBM mandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fampiasam-bola (WIC) andiany faha-27. Lohahevitra hodinihina ny hoe: « Homena fahefana ny mpampiasa vola: fanoitran’ny fitomboan-karena hoavy ny antokon-draharaha fampiroboroboana ny fampiasam-bola (API)”.