Anosipatrana: maty voatifitra ilay jiolahy saika hamono polisy

Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosipatrana, ny talata 12 desambra teo. Inspektera iray naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny jiolahy.

Lavon’ny mpitandro fila­minana ny jiolahy iray tamin’ireo efa-dahy nikasa hamono inspektera tetsy Anosipatrana, ny fiatombo­han’ny herinandro teo. No­fofoin’ireo olon-dratsy ireo ny ain’io polisy io. Voa mafy teo amin’ny lohany ilay inspektera ka voatery nanaraka fitsaboana teny anivon’ny hopitaly. Tsy lasa alavitra anefa ireo jiolahy ka voasambotra teo no ho eo ny iray. Noraisin’ny polisy misahana ny heloka bevava BC1 ny raharaha. Nanao vela-pandrika hisamborana ireo telo lahy nandositra izy ireo ny 12 desambra teo. Nentina natao ho mpitari-dia hanoro ireo namany tamin’izany ilay jiolahy voasambotra. Poa toy izay, nanararaotra nitsoaka io olon-dratsy io izay saika haka ny basy teny amin’ny iray tamin’ireo polisin’ny BC. Nitifitra, vokatr’io, ireto farany nahafahana nampitsahatra io jiolahy io. Vokany, maty tsy tra-drano ilay olon-dratsy.
Karohina ireo telo lahy
Tsy mijanona hatreo ny hazalambo ataon’ny polisy misahana ny fanadihadiana. Mitohy ny fikarohana ireo telo lahy izay mbola tsy hita popoka, nanomboka io alatsinainy io. Raha tsiahivina, malaza ratsy ary anisan’ny toerana voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemena eto an-dRenivohitra ny eny Anosipatrana sy Anda­vamamba. Vao ny volana aogositra lasa teo no nahalavo ny jiolahy telo lahy nitam-piadiana teny an-toerana izay nikasa hanafika tranom- barotra.

Tsiferana R.

Partager sur: