Maty nokapain’ny dahalo ny famaky teo amin’ny lohany ny miaramila kaporaly iray tao Anjiamangirana, distrikan’ Antsohihy, ny alatsinainy alina teo. Nandritra ny fanarahan-dia no nitrangan’ny fifandonana. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ity miaramila kaporaly ity. Nisy fifampitifirana teo amin’ireo dahalo sy ireo miaramila mpampandry tany satria manao fampandrian-tany amin’iny faritra avaratry ny Nosy ao anatin’ny distrikan’Antsohihy ity miaramila ity. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy saingy namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Manao izay ho afany ireo miaramila mpampandry tany ao amin’ity distrika ity. Tsy mbola fantatra kosa hatramin’izao ireo malaso tompon’antoka tamin’izao famonoana izao. Mandeha kosa ny fanarahan-dia ataon’ny zandary miaraka amin’ny Tafika. Nanafika tanàna tao Anjiamangirana ireo dahalo. Raha ny loharanom-baovao voaray, tokantrano iray voalaza notafihana andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tamin’io fotoana io. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny omby maromaro tao amin’io tokantrano io. Nahazo antso ireo miaramila mpampandry tany ka nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Raikitra ny fifandonana, voakapa ny famaky ity mahery fo ho an’ny tanindrazana ity.
J.C