Fanabeazana: ampy hanabeazana ny Malagasy ny teniny

Beazina amin’ny teny frantsay ny Frantsay. Amin’ny teny anglisy ny Anglisy… Ny Malagasy beazina amin’ny teny frantsay ! Lova avy amin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona io. Noho ny antony afenimpenina, nanjary sarotra ny nitsipaka sy nanda izany. Niteraka fiampangana ny teny malagasy io tranga io.

Tsy ampy, hono, ny teny malagasy. Tsy mety hanononana isa, hono, ny teny malagasy… Ampahany amin’ny soketa ataon’ny « sasany » mitonona ho avara-pianarana sy ireo saribakolin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona heno etsy sy eroa, raha vao miresaka ny teny malagasy. Fandemen-tsaina nitaizan’izy ireo ny Malagasy mba hiroso lalindalina kokoa hatrany any amin’ny fankahalana ny momba azy. Nisy ny roboka sy nanara-davahana ary nanaiky fa marina tokoa ireo.
Tsy hita taratra eny amin’ny fiarahamonina malagasy ny lanjan’ny fampiasana ny teny malagasy. Toraka izany koa ny any anivon’ireo sampandraharaha isan-tsokajiny. Ny taratasy ilaina any rahateo voasoratra amin’ny teny frantsay ny ankamaroany. Tranga tsy mampiraika ny Malagasy kanefa loza mitatao ho an’i Madagasikara sy ny taranaka mandimby, satria, izay tompon’ny teny no tompon’ny tany. Raha sanatria ka mitohy izao fanoloana tsikelikely ny teny malagasy eny am-bavan’ny taranaka Malagasy ho teny frantsay na teny hafa izao, tsy ho ela i Madagasikara sy ny Malagasy dia ho… indray !
Tsy mety afaka ilay lova ratsy

Lainga sy fitaka ary fanimbazimbana ny maha olona sy ny maha Malagasy ataon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona sy ny forongony ny filazana fa tsy ampy hanabeazana ny Malagasy ny teny malagasy. Lamina voajanahary, ny Malagasy miteny ny teny malagasy. Ampy hoentiny manabe ny taranany ho tonga olom-banona ny teniny. Saingy, mbola io eo ihany ilay lova ratsy navelan’ny vahiny. Fa maninona, ohatra, raha atao amin’ny teny malagasy ny fampahafantarana (fampitam-baovao) avoakan’ny Akademia Malagasy fa tsy laroina na ampiana teny frantsay ? Maninona no mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampianarana ny teny malagasy eny amin’ny oniversite ny teny frantsay ? Anarany fotsiny ny mianatra ny taranja malagasy kanefa amin’ny teny frantsay no hanaovana izany ! Satria izay ilay lova ratsy navelan’ny mpanjakazaka an-tanin’olona.
Mila fisokafan-tsaina lehibe avy amin’ny Malagasy tsirairay ny fahatsapana fa tsy mbola miaina ao anaty fahaleovantena izy sy i Madagasikara. Raha tsy mbola izay no vita, mampanahy ny hoavin’ny taranaka malagasy sy i Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: