Natao sonia omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny ladoany malagasy sy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Hatsangana ny toeram-piofanana Akademian’ny ladoany sy ny Sekolin’ny Etamazaoron’ny Tafika.
Hitondra fiovana lehibe ny tontolon’ny fanofanana amin’ny haban-tseranana sy ny Tafika.
Nilaza ny tale jeneralin’ny ladoany, Lainkana Zafivanona, fa any Toamasina, izay tany nampiasain’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena teo aloha no hanorenana ny Akademian’ny ladoany. Satria any an-toerana ny 75%-n’ny asan’ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana, ahafahana mianatra anaty trano sy ny fampiharana. Tena ilaina ity sekoly manokana ity satria fiofanana mitohy (formation continue) no harahina ao, raha toa ka fiofanana tsotra ny natao teto Antananarivo hatramin’izay.
Toerana manara-penitra, ahitana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana rehetra ilaina manaraka ny toetrandro, amin’ny sehatry ny ladoany. Toy ny «scanner», ny fomba fiasa eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo, ny «drône», sns.
Hanomboka amin’ny 2024 ny asa
Eny amin’ny kianja malalaka Betongolo kosa no hananganana ny Sekolin’ny Etamazaoron’ny Tafika, izay hotohanan’ny ladoany malagasy. Nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, fa «mila fiofanana maharitra ny olona ho tomponandraikitra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mila paikady matotra izany. Raha olona manodidina ny 20 no afaka miofana any amin’ny sekolin’ ny Etamazoro, ankehitriny, azoko antoka fa mety hitombo avo 30 heny izany rehefa hitsangana io sekoly vaovao eny Betongolo io».
Namorona ny mari-trano ireo fotodafitrasa roa ireo ny mpahay mari-trano, Reboza Mahefa. Tranobe ahitana rihana telo ny Akademian’ny ladoany, ary tranobe miisa dimy ny sekolin’ny Etamazaoro. Hanomboka amin’ny taona 2024 ny asa, ary tokony ho vita amin’ny taona 2026.
Njaka Andriantefiarinesy