Fiba Level 1 : Malagasy mpitsara 16 afa-panadinana

Nivoaka tamin’ity herinandro ity ny valin’ny fanadinana nataon’ireo mpiofana ho Malagasy mpitsara, Fiba Level 1, taranja basikety. Fiofanana nomen’ny manam-pahaizana, i Leslie Chérubin, ny 28 novambra hatramin’ny 31 novambra lasa teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Malagasy mpitsara 16 mianadahy no afa-panadinana ka nahazo ny diplaoma Fiba Level 1. Tsiahivina fa fiaraha-miasan’ny Fiba Afrika sy ny Federasiona malagasin’ny basikety ary ny CCA izao fampiofanana izao ary ny FMBB no nanome ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpitsara afa-panadinana. Tsara ny manamarika fa misy avy any amin’ny faritra ireto mpitsara ireto ankoatry ny avy eto Analamanga.

Mi.Raz

Partager sur: