Harifidy Ramarozatovo : haseho ny boky ” Ny Vehivavy filamatra”

Hamoaka ny boky “Ny Ve­hi­vavy filamatra” i Harifidy Ramarozatovo, mpanoratra. Haseho etsy amin’ny Espace Loisirs Antaninarenina, ny alarobia 20 desambra izao, ma­nomboka amin’ny 10 ora ma­raina hatramin’ny efatra ora hariva ity boky vaovao ity. Voa­rakitra ao anatiny ny andram-pamakafakana miendrika fitantarana kely ny tranga na zava-misy amin’ny endrika kanto, miisa 50 eo ho eo. 100 pejy ny boky. Vehi­vavy 51 no resahana. Misy sokajy maro, mpampianatra, raiamandreny, tanora, mpitantana orinasa, mpiasa an-trano, sns, avy any amin’ny faritra samihafa.
“Efa ho roapolo taona no nanoratana tsikelikely azy io, miainga amin’ny fahitana ny zava-misy sy ny faharesen-dahatra fa misy toetra na fihetsika izay hananan’ny vehivavy ary tokony hasongadina mba ho fitaratra ho an’ny hafa satria antoka iray lehibe mampivoatra ny fiarahamonina izany”, hoy i Harifidy. Nandray anjara tamin’ny famolavolana ny boky ny mpikambana maro ao amin’ny havatsa-Upem sy tanora mpanoratra maro toa an’i Namby mivetso, Dimbin’ ny nofy, Rian­drano, Ny Ma­nitra Abraham, Dimby Mahe­nina, Heriarilala Andriama­monjy ary Felamboahangy.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: