Tanterahina ny 20 desambra 2023, eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso, ny fanokafana fampirantiana “Harmony of Chaos”, iarahana amin’ny We Art, mpahay kanto misehatra eo amin’ny fanaovana hosodoko. Fotoana iray ihaonan’ireto mpahay kanto ireto amin’ny mpankafy azy io fotoana io. Samy haneho ny maha izy azy moa ireto mpahay kanto ireto mandritra ity fampirantiana ity, izy ireo izay samy efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka amin’izao.
Fotoan-dehibe, ho an’ny mpankafy “Urban Art”, ny eny amin’ny ADMC-CRAAM Ankatso, ny alarobia izao. Ny We art, izay ahitana an’i A.J sy O. R, no hampiseho ny asa tanany mandritra ity fampirantiana ity. Tsara ny mampahafantatra fa ny “Urban Art” no iangalian’izy ireo. Araka izany, sary haneho ny olona sy ny zava-misy eto an-drenivohitra no iangalian’izy ireo. Rindrina, hazo, baoritra ary lamba no hamoahana sy hanehoan’izy ireo ny asa tanany. Ny taona 2020 no nanombohan’izy ireo nanao izany ary ity “Harmony of Chaos” ity no fampirantiana manokana voalohany ataon’ny tarika, raha efa maro ny niarahany tamin’ireo mpanao hosodoko sangany eto Madagasikara sy avy any ivelany.
Lin