«Ligue des Champions 2024» : hifanandrina amin’ny ekipa goavana ny PSG

Nifarana ny alarobia lasa teo, ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions (LDC) 2024”, taranja baolina kitra. Azo heverina ny mety hihaonan’ny ekipan’ny Paris Saint Germain France, amin’ireo klioba goavana toa ny Real Madrid Espagne, ny FC Bayern Munich Allemagne, ny Manchester City Angleterre. Hotanterahina any Nyon Suisse, ny alatsinainy 18 desambra ho avy izao, ny antsapaka “tirage au sort” ny ampahavalon-dalanan’ny LDC. Ho fantatra amin’io fo­to­ana io izay ho mpifanandrina amin’ity ekipa frantsay ity.
Marihina fa ao amin’ny satroka misy an’ ireo laharana faharoa ny PSG, raha ao amin’ ireo voalohany kosa ny Real Madrid sy ny Bayern ary ny Man City.
Tamin’ny “LDC 2023”, nahintsan’ny Bayern teo amin’ ny ampahavalon-dalana ny PSG. Tsara ny mampahafantatra fa hanomboka ny 13, 14, 20, 21 febroary ho avy izao ny lalao mandroso, raha toa ka 5,6,12,13 marsa ny fihaonana miverina.

Fitia Randria*

Ireo klioba hatao antsapaka ny alatsinainy ho avy izao

Satroka 1 : Real Madrid (Espagne), Atletico Madrid (Espagne), FC Barcelone (Espagne), Real Sociedad (Espagne), Manchester City (Angleterre), Arsenal FC (Angleterre), Bayern Munich (Allemagne), Dortmund FC (Allemagne).
Satroka 2 : Inter Milan (Italie), Napoli (Italie), Lazio (Italie), RB Leipzig (Alle­magne), PSV (Pays-Bas), Paris Saint Germain (PSG) (France), FC Porto (Portu­gal), Copenhagen (Dane­mark).

Partager sur: