Madagasikara : manana paikady hampiroboroboana ny indostria

Miendrika roa lehibe ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Paika­dy voalohany ny fampirisihana ireo mpampiasa vola sy ireo mpamatsy vola hanampy eo amin’ireo orinasa sy indostria goavana eto Madagasi­kara (fomba fijery lavitra ezaka). Fanohanana ny indostria mi­ainga eny ifotony sy manakaiky vahoaka, amin’ny alalan’ny tetikasa taninketsa indostrialy (fomba fijery fohy ezaka) kosa ny faharoa. Tanjona ny fampiasam-bola ho an’ny vahoaka fa indrindra ny ahitan’ny rehetra tombontsoa, miainga eny amin’ ny tantsaha, ny mpandraharaha mpanodina ny orinasa, ny vahoaka ary ny rafi-panjakana. Ezaka hapetraky ny rafi-panjakana ny hanafainganana ny fampiroboroboana ny in­dostria maharitra sy ny fametrahana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Mada­gasikara ary ny fametrahana ny fifanarahana ara-indostrialy eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ao anatin’izay koa ny fametrahana ny tahirim-pirenena mo­mba ny fampandrosoana ara-indostrialy (FNDI).

Andron’ny indostria
Nankalazaina omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny andron’ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika. Fan­kalazana iarahan’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana, ny rafitry ny Firenena mi­kambana ho an’ny fampandrosoana ara-indostrialy (ONUDI), ny sendikàn’ny indostria eto Madagasikara (SIM) ary ny tetikasa fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola (PAISF).

Henintsoa Hani

Partager sur: