Miandry baolina maty

 

Hiavaka raha samy hiavaka ny fotoam-pianianan’ny Filoha vao lanim-bahoaka, Rajoelina Andry, rahampitso. Efa manao ranolava ny fahatongavan’ny vahiny, hanome voninahitra ny fotoana eny Mahamasina. Nanomboka omaly, hitohy mandra-pisokatry ny lanonana amin’ny 10 ora maraina ny fahatongavana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. An-jatony, mba tsy hilazana ho aman’arivony ny vazaha, sinoa, afrikanina hanome voninahitra ny fotoana. Firenena iray fotsiny no efa mahatonga delegasiona misy 70 olona.
Haresaka ny tanàna ! Efa tonga eto an-drenivohitra koa ny mpiray tanindrazana avy any amin’ny faritra. Maro amin’ny komity nanohana ny kandidà laharana fahatelo, izay lany fihodinana voalohany no tsy nanaiky raha tsy manotrona azy. Ny eto an-drenivohitra efa samy somebiseby ny komity mpanohana. Milomay ny hamonjy lanonana eny Mahamasina, izay mety hiafara amin’ny fahazoana « Trano mora ». Hisy dimy aman’enina ho tsara vintana ka hahazo lakile.
Hihanoka lanonana ny vahoaka malagasy. Tsy midika ho fanaovana tsinontsinona ny fahasahiranan’ny vahoaka akory izany. Misy ny lamina sy ny dingana apetraka. Ahoana tokoa ny hamahana olana raha tsy tafapetraka ara-dalàna ny mpamaha azy ? Ny filohan’ny Repoblika rahateo no tompon’antoka voalohany amin’ny fitsinjovana ny vahoaka tantaniny. Tsy afaka ny hialangalana sy hanao ambanin-javatra ny Malagasy ny filoha Rajoelina Andry.
Adidy mavesatra tsy maintsy iantsorohany sy tsy maintsy zakainy ny fisintonana ireo vahoaka malagasy avy any anatin’ny lavaky ny tsy fisiana. Ireto farany izay efa resy lahatra hatrany am-boalohany fa izy no hany vahaolana ho an’ny Malagasy. Filoha hany afaka hampandroso ny firenena.
Haneno rahampitso ny kiririoka, hanomboka ny lalao…miandry ny baolina maty, araka izany, ny mpita­zana.

r.r

Partager sur: