Natao sonia omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ ny orinasa Startimes sy ny banky Société générale Madagasikara (SGM). Misy ny tolotra avy amin’ny Startimes, manamora ny ahazoan’ny mpanjifa fitambarana kojakoja samihafa (kits solaires Startimes), mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Antony, vahaolana aroso ho an’ny mpanjifa manoloana ny delestazy sy ireo monina any amin’ny toerana tsy misy herinaratry ny Jirama any amin’ny toerana lavitra.
Afaka misitraka azy ny mpanjifan’ny banky SGM sy ny Startimes manerana ny Nosy. Tombony sy mampiavaka ity tolotra ity ny fahazoan’ny mpanjifa mandoa tsikelikely ny saran’ireo kojakoja. Afaka manatona ny masoivohon’ny banky SGM ny mpanjifa liana, amin’ny alalan’ny tolotra «Soafeno mivarotra», amin’ny zana-bola kely, toy ny mpiasa isam-bolana na mpiasam-panjakana na mpandraharaha tsy miankina. Misy karazany roa ny fitambarana kojakoja «kits solaires startimes». Eo ny radio sy ny ampola, takelaka misintona herinaratra avy amin’ny masoandro, sy ny kojakoja mampandeha azy. Eo koa ny televiziona sy ny kojakoja mampandeha azy, miaraka amin’ny fitaovana ahazoana ny fandaharana startimes (décodeur), miampy ny ampola manazava ary ny kojakoja ilaina, mampandeha azy.
Njaka A.