“Ndao hifety” – Tyfu Amboditsiry. “Men’s Night Show”, hisongadinan’ireo lehilahy mpanatalenta mazava loatra, ity hotontosaina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Hiray tsikombakomba mba hampiavaka izany i Fidy Dibl, Rado Manantsoa ary i Poon eo amin’ny feo, hampian-dry Fy Rajaofetra (vata maroafitsoka), Houzefa (gitara beso) ary i Bolo Rakoto (amponga maroanaka).
4-Maso-Piment Café. Tarika hafakely indray ity hiverina hampiala voly etsy amin’ny Piment Café Behoririka ity, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Tarika 4-Maso, izay ahitana an’i Toubih sy ny vady aman-janany. Samy manan-talenta amin’ny mozika, ary tsy ny A capella ihany fa mahafehy karazan-javamaneno maro izy ireo.
IFM – Madagascar Orchestra. Hitohy ary hifarana anio ny “folle semaine de Noël”, etsy amin’ny IFM Analakely. Ireo mpanakanto mpitendry zavamaneno misy tadiny mandrafitra ny Madagascar Orchestra indray no hanolotra seho miavaka, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany. Feon-kira tranainy, sanganasan-dry Dvorak sy ry Tchaïkovski no haverin’izy ireo mandritra izany.
Fara West- Lilian Raoelison Quartet. Mozika malalaka be, mifototra amin’ny jazz, mandalo ny funk, po, variété, fusion, sns, no hatolotr’ireto mpanakanto ireto rahampitso 16 desambra, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hanampy an’i Lilian Raoelison i Fabrice (gitara), Titi (saxophone) ary i Jimmi B Zaöto (amponga maroanaka), mandritra izany.