Vidim-piainana : kely ny tolotra mitaha amin’ny filàn’ny mpanjifa

Mazana miakatra sy misondrotra avokoa ny vidin’ entana eny an-tsena, indrindra rehefa ankatoky ny fety toy izao. Tsy afa-manoatra ny mpanjifa ma­noloana izany. Miandry ny hijerena sy hitodihana amin’ny so­sialim-bahoaka, araka ny fampanantenan’ ny filoham-pirenena, ny vahoaka.

“Betsaka loatra ny filàn’ny mpanjifa rehefa fotoana tahaka izao nefa ny tolotra efa teo isan-taona ihany no hita eny an-tsena”, hoy ny sekretera mpanantanteraka eo anivon’ny SIM, Ratsimbaharison Alain Désiré, raha nanontaniana. Nilaza izy fa tsy maharaka sy kely kokoa ny tolotra raha oharina amin’ny filàn’ny mpanjifa ka antony mampiakatra ny vidin’entana.
Mandroso vahaolana ny eo anivon’ny Syndicat des industries de Madagascar (SIM), rehefa andro fety tahaka izao. Ezaka ataon’izy ireo ny fanentanana ny mpanjifa hividy ny vokatra vita malagasy. Indrindra ireo vokatra ao anatin’ny mpikambana SIM, izay manana ny mari-pamantarana (Label) “Malagasy Ny antsika”. Nohamafisiny fa mila omena ny mpanjifa ny vokatra malagasy rehefa tiana hi­tombo ny harinkarena malagasy. Misy tombony telo azo rehefa mividy ny vokatra ma­lagasy ny mpanjifa, raha ny fanazavany hatrany. Voalo­hany, ny kalitaon’ny entana, izay voamariky ny Bureau de norme de Madagascar. Fa­haroa, mitondra “valeur ajoutée” ho an’ny toekarena eto Madagasikara ihany koa ny fampiasana olona sy fanodinana ny vokatra eo anivon’ny orinasa. Fahatelo, ny fanajana ny etika eo amin’ny fomba fitantanana ny maha olombelona eo anivon’ny orinasa. Toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana ny mpiasa any amin’ny Cnaps sy ny Ostie.

Orinasa 32 manana
mari-pamantarana
malagasy
Mahatratra 32 ireo orinasa manana marika famantarana «Malagasy ny Antsika» amin’
izao fotoana izao, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny SIM hatrany. Efa misy ihany koa ireo efa an-dalana amin’ny fidirana amin’izay. Misy ny fitsirihana ifotony atao vao tena mahazo io marika malagasy ny antsika io ny entana iray. Ezaka ataon’ny SIM ny hampiditra ny entana vita malagasy mba hisitraka izany avokoa amin’ny herintaona.
Niakatra 10% ny vidin’entana ilaina andavanandro
Nahitam-piakarany 10 % ny vidin’entana ilaina andavanandro, indrindra amin’izao vanim-potoana akaiky fety izao, raha ny zava-misy eny an-tsena. Ho an’ny vidim-bary manokana, nahitana fiakarany manodidina ny 2 500 Ar isaky ny 1kitapo izany eny anivon’ny tsena. Raha toa ka manodidina ny 10 000 Ar isaky ny gony kosa ho an’ny siramamy. Izay tafiditra amin’ny akora ilaina amin’ny fanaovana mo­fomamy, manamarika ny fetin’ny Noely izany. Nahitam-piakarany 2 000 hatramin’ny
4 000 Ariary kosa ny kilaon’ny henan’omby sy ny henan-kisoa. 18 000 Ar ny kilaon’ny henan’omby teo aloha. Ma­hatratra hatramin’ny 22 000 Ar kosa izany ankehitriny. Nam­piova ny fanjifan’ny olona ny fiakaran’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro, raha ny fanazavan’ny mpivarotra na­nontaniana. Lasa nihena ha­tramin’ny antsasan-kilao sisa ny hena voavidin’ny mpanjifa nahatakatra hatramin’ny 1,5 kg isan’andro teo aloha, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Tsy maintsy ahena avokoa ny fandaniana rehetra eo anivon’ny tokantrano noho izay fiakaran’ny vidim-piainana izay, hoy ny olon-tsotra na­nonta­niana. Tsy maintsy aloa ary tsy azo atao ambanin-javatra ny hofan-trano, ny saram-pianarana, ny hofan-jiro sy rano…

Mamotika ny vokatra malagasy ny fitobahan’ny entana vahiny

“Anisan’ny angatahana ny tsy ampiakarana ny vidin’ny entana eto Madagasikara satria tsy maharaka ny mpividy amin’ny fividianana entana lafo”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny FIVondronan’ny MPAndraharaha Malagasy (Fivmpama), raha nanontaniana. Nilaza izy fa raha mitobaka ny entana avy any ivelany dia potika ny entana avy eto an-toerana. Antony mahatonga azy ireo mitady vahaolana mahakasika izay. “Any amin’ny fampihenana ny vidin’entana, azo jerena ihany koa ny akora ampiasaina amin’ny indostria malagasy”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny hatrany fa ny fampihenana ny akora dia midika fa mila lalana ivoahan’ny entana. Rehefa tsy misy lalana ivoahan’ny entana , dia lasa lafo ihany koa ny akora. Tsy maintsy arindra iaraha-miasa sy mitady vahaolana eo amin’ny fanjakana izany. Mba hitadiavana lalam-bola sy hahafahana mandrindra ny indostria eto Madagasikara.
Ankoatra izay, tsy manana olana amin’ny fanafaran’entana avy any ivelany ny indostria malagasy. “Takin’ny indostria malagasy ny hanarahan’izy ireny ny lalàna sy ny fenitra ary ny fanarahana sy fanajana ny filan’ny mpanjifa ny entana”, hoy hatrany ny sekretera mpanantanteraky ny SIM. Marihina fa tena miezaka manaraka ny lalàna misy eto an-toerana, ny kalitao, mandoa hetra ara-dalàna, manao izay adidy rehetra eo anivon’ny fanjakana ny mpikambana sy eny anivon’ny SIM.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: