Fonenan’ny dahalo sy ny fianakaviany ny tanànan’Ankitikitika. Noravan’ny zandary izany ny 10 desambra teo. Olon-dratsy roa lahy lavo, tsy hita popoka ny namany.
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa lahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ankavanany sy Hamena tao amin’ny tanànan’ Ankitikitika, distrikan’i Maintirano, ny 10 desambra teo. Nitsoaka tsy nisy tao amin’io tanàna io intsony ny fokonolona rehefa nahare ny fahatongavan’ny zandary. Voalaza fa fiheren’ny dahalo tanànan’i Doro, izay dahalo raindahiny efa lavo hatry ny ela io toerana io. Nivoaka ny didy avy amin’ ny prefektiora an’i Maintirano fa ravana tanteraka io tanàna fonenan’ny dahalo io. Niandry kendry tohiny ny ekipa notarihin’ny Kaomandin’ny Vondro-tobi-paritra Maintirano, kapiteny Ramaromanana Saka sy ny ekipany anefa ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifandonana. Vokany, lavo ireo dahalo roa lahy ikoizana amin’ny halatra omby sy ny fakana an-keriny ao an-toerana.
Rava ny trano 13
Moara sy ody ratsy sisa navelan’ireo tompon-tanàna tao amin’Ankitikitika. Nandositra ny zandary avokoa izy ireo. Noravaina tanteraka ny trano miisa 13 izay fonenan’ ireo dahalo ireo. Trano tsy nifanalavitra avokoa ireto ravan’ny zandary ireto. Tetsy ankilany, mitohy ny fiarahan’ny miasan’ ny OMC ao Maintirano amin’ ny famongorana ny dahalo izay mampitondra takaitra ny mponina. “Nankatoavin’ny vahoaka avy ao amin’ny kaominina valo manodidina ity famongorana ireo dahalo tao Ankitikitika ity”, raha ny fanamafisan’ny kaomandin’ny Vondro-tobi-paritra ao an-toerana.
Tsiferana R.