Fakana an-keriny : Jiolahy maty voatifitry ny zandary

Lavon’ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’ An­jozorobe, afakomaly. Ani­san’ireo dahalo iray tarika amin’Iarisy nampitondra fai­sana tao Anjozorobe sy Anka­zobe ary Ambohidratrimo. Efa namoahan’ny fitsarana tara­tasy fanenjehana azy ity dahalo ity. Nahazo fampitam-baovao anefa ny zandary fa miery ao Toamasinakely Beanana, distrikan’Anjozorobe ny an­dian-dahalo tarihin’ity maty voatifitra ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana fieren’ireo malaso ny zandary ka voamarina tokoa izany. Efa fantatr’izy ireo anefa ny fahatongavan’ny zandary ka nandrasan-dry zalahy teo amin’ny kizo. Rai­kitra ny fifampitifirana ka maty voatifitra ity dahalo raindahiny ity. Hita tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny basim-borona calibre 12 sy bala maromaro. Nisy moara ary antsilava koa niaraka tamin’ ireo fitaovam-piadiana ireo. Lasa nandositra avy hatrany ireo namany rehefa tsy nahatohitra ireo zandary.

Mody nirevy
Hafa kely koa ny zava-niseho teny amina toera-pisotroa iray teny Mahitsy, afakomaly. Nisy andian’olona nirevy saingy tsy nety niala tao na efa nalefan’ny tompon’ilay toeram-pisotroana aza, satria efa tonga ny ora fikatonana. Ny tompon-trano indray no nahazo fandrahonana ho faty. Niantso zandary ireto farany noho ny tahotra. Lasa nitsoaka anefa izy ireo nony tonga ny mpi­tandro filaminana. Namoa­ka basy nitifitra ny iray tamin’ireo andian-jatovo. Nisy ny fifampitifirana ka maty voatifitra ny iray.

J.C

Partager sur: