FANTINA sy FINTINA

Naneho fialan-tsiny noho ny fahatapahan’ny jiro tao an-dapa ny filohan’ny Antenimierampirenena, tamin’ny lahateny famaranana ny fotoam-pivoriana, omaly. Niato 10mn teo ny fihaonana. “Tranga miseho matetika iainan’ny vahoaka izany”, hoy izy.

Nohadihadian’ny zandary teny Fiadanana ary efa nalefa nody, afakomaly ihany, ny sektetera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Désiré. Voalaza ho anton’ny famotorana ny fiahiahiana fikomiana sy fanonganam-panjakana. Nanao fanambarana fitsikerana izany ny HVM.

Voafidin’ireo depiote 100% ho filohan’ny vaomieran’ny fanajariana ny tany eo anivon’ny Antenimiera, ny depiote Rakotoarimanana Tiana Maxime, omaly, teny Tsimbazaza. Nisolo ny toeran’ny depiote Raholdina Naivo lasa filoha lefitry ny Antenimiera ny tenany.

Nahazo fitaovana toy ny ordinatera sy fanaka birao ny kaominina miisa 28 eto amin’ny faritra Analamanga, iasan’ny tetikasa GUGA sy ny lalankely III. Nanolotra izany ny avy amin’ny INDDL. Niainga amin’ny hetahetan’ireo kaominina izany fampitaovana izany.

Partager sur: