Tontosa, omaly zoma 15 desambra, teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe fanao isan-taona, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Kung fu. Zava-dehibe ny nanatanterahana ity AGO ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona, Grand Maître Avoko. Niarahan’ny ligy 9 nanapaka mantsy fa haverina ho toy ny rafitra nisy hatramin’izay, tany amin’ny taona 1997, ny rafitry ny federasiona. Izany hoe, niverina ho Federasiona malagasin’ny Kung fu fotsiny fa tsy misy “Wisa” intsony ao aoriany. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany, noho ny fahatsapana fa maro ireo “style” hafa ankoatra ny “wisa” te hiditra ao amin’ny tontolon’ny Kung fu, araka ny fanazavana hatrany. Tsiahivina, fa ny taona 2015 no natokana ho an’ny “wisa” irery ny federasion’ny Kung fu ary izao tafaverina amin’ny laoniny izao. Nodinihina nandritra ny fivoriambe ihany koa ny tetiandro 2024 ka hisongadina ny fivelaran’ny Kung fu eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Efa manana rantsamangaika any Frantsa ny Kung fu malagasy izay ahitana mpikatroka 100, ka hoezahina ny hampiroboroboana sy hanitarana izany. Ho an’ny eto an-toerana kosa, efa tafakatra
4 hetsy ny isan’ny mpikatroka manerana ny Nosy. Tanterahina anio 16 desambra eny amin’ny Temple de Pierre Mizael Ambatomirahavavy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2023. Sokajy
6 no hifaninana ho an’ny “Combat” ary ny sokajy lahy sy vavy kosa eo amin’ny Kata. Anio sabotsy no hanaovana ny fifanintsanana hatramin’ny manasa-dalana raha toa ka rahampitso alahady kosa ny famaranana.
Mi.Raz