Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny ampahefa-dalan’ny «Grand Tournoi Antananarivo (GTA)», taranja baolina kitra. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro amin’ity dingana hiadiana ny tapakilan’ny manasa-dalana ity, ny an’ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy, rahampitso.
Tsiahivina fa tamin’ireo lalao roa nihaonan’ny roa tonta nandritra ny fifaninanam-pirenena «Orange Pro League (OPL) 2023», mbola manala vela ny CFFA. Resin’ny Elgeco Plus tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo, ny 22 avrily lasa teo ary ady sahala 0 no ho 0 kosa ny 26 febroary.
Klioba samy manomana fatratra ny OPL sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023” izy roa ireto. Marihina fa hotolorana 20 tapitrisa Ariary izay voahosotra ho tompondaka.
Fitia Randria
Ny fandaharan-dalao amin’ny ampahefa-dalana :
Kianja Elgeco Plus By pass
Sabotsy 16 desambra :
12 ora sasany : US Pro Analamanga vs Disciple Espoir Analamanga
2 ora sasany : Cosfa OPL vs Disciple OPL
Alahady 17 desambra :
12 ora sasany : FC Rouge Analamanga vs Ajesaia OPL
2 ora sasany : Elgeco Plus OPL vs CFFA Andoharanofotsy