Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo farmasianina tamin’ity herinandro ity. Nodinihina tamin’izany ireo karazan-dalàna mifehy ny fanokafana sy fanakatonana ary famindrana toeram-pivarotam-panafody. Hatsangana koa ny komity manokana hanara-maso sy hanapaka izany.
Nahazo vata fampangatsiahana 23 fanampiny ireo toerana fitehirizan-dra eny amin’ireo hopitaly eny anivon’ny distrika. Kitapon-dra sy singa ilaina amin’ny famindrana ra tsara tahiry sy manaraka ny fenitry ny fahasalamana no tajona amin’ireo ivontoerana famindrana ra manerana ny Nosy.
Notolorana mari-pankasitrahana ireo farmasia mpamongady 3 ao Mahabo, Manja ary Morondava. Nahafehy ny masontsivana Spars izy ireo avy amin’ny tetikasa USAID Impact. Vata fampangatsiahana hitehirizana fanafody sy vaksiny enti-miasa no natolotra ho fankasitrahana.