Kitapom-bolam-panjakana : mampiditra 3.5 miliara Ar mahery isan-taona ny lamatra

Kitro ifaharan’ny toekarena ny jono sady miantoka hatrany amin’ny 25% ny harinkaren’i Madagasikara. Ankehitriny, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola nampidirin’ny lamatra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana.

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny jono lamatra. Isan-taona, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana taorian’ny fanatsarana ny sehatra nanomboka ny volana desambrea 2021. “Manodidina ny 50.000 taonina isan-taona ny lamatra mandalo ny fari-dranomasin’i Madagasikara ao anatin’ny telo ka hatramin’ ny dimy volana”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Maha­tante Paubert, nandritra ny atrikasa nataon’ny minisitera tetsy Ankorondrano. Nilaza izy fa aondrana ny 25.000t amin’ izany. Mbola vitsy ihany koa ny Malagasy nahazo fahazoan-dalana manjono lamatra noho ny tsy fananana fitaovana iasana amin’izany. Noho izany, miisa 39 ireo orinasa manana ny fahazoan-dalana ka dimy amin’ ireo ihany no Malagasy. Mila sambo matanjaka ny fanjonoana lamatra noho izy mandeha hatrany amin’ny 40 km/ora, araka ny fanazavana voaray.

Mila hatsaraina
“Miantoka ny 22 ka hatramin’ny 25% ny harinkarena eto Madagasikara ny toeka­rena manga. Tanjona ny hampiakarana izany hatrany amin’ ny 40% hatramin’ny taona 2030”, hoy hatrany ny minisitra. Fotoana izao, hoy izy, hitrandrahana ny tombony ara-toekarena ny tontolon’ny jono, fiompiana sy famokarana anaty rano sy ny tontolon’ ny loharanon-karena manga hafa. Tanjon’ny atrikasa ny hifampizarana ny antontam-baovao nanehoana ny mangarahara sy hahafahana manatanteraka ny paikady vaovao azo ampiasaina hanatsarana ny jono lamatra amin’ny taona 2024. Ao anatin’izany ny poli­tika fiarovana ny lamatra aty amin’ny ranomasimbe india­nina sy ny lalan’ny sambo vahiny rehefa manjono.

Henintsoa Hani

Partager sur: