Rehefa tonga ny 25 desambra na ny fankalazana ny Krismasy, feno hipoka ny fiangonana kristianina. Antony, io no nambara fa anisan’ny vanim-potoana lehibe indrindra eo amin’ny sehatry ny finoana maneran-tany. Na ny ady aza, miato. Nialohan’ny nahatongavan’ny vahiny (misionera) teto Madagasikara, nanana ny finoany sy ny fivavahany ny Malagasy. Noho izany, tsy an’ny Malagasy velively ny Krismasy fa anisan’ireo « zava-baovao » nampidirina taty aoriana.
Na ry zareo vahiny (kristianina) nampiditra azy io teto Madagasikara aza tsy mifankahazo hevitra. Ao ny tsy mankalaza ny Krismasy, satria, tsy voasoratra ao anaty Baiboly, hono. Misy ny milaza fa diso io 25 desambra io fa volana aogositra i Kristy no teraka, sns. Manara-davahana fotsiny ny Malagasy, satria, tsy azy io.
Niteraka tahotra sy horohoro teo amin’ny Malagasy ny tsy fanarahana izay voalazan’ireny misionera ireny, hany ka nanjary nivolon-ko tompony ny Malagasy sasany. Tsy nijanona teo anefa, fa nariany sy nankahalainy ny maha izy azy. Vanim-potoana iray anisan’ny nampiditra an’i Madagasikara sy ny Malagasy tao anatin’ny fahaverezan’ny teniny, ny taniny, ny fombany, ny finoany, ny kolontsainy, ny momba azy manontolo !
… Fahiny, raha ny vahiny no niditra nitondra ny fivavahana kristianina. Ankehitriny, ny Malagasy indray no misionera mankany amin-dry zareo !
HaRy Razafindrakoto